1 Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah , fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.

2 Diniho aho, Jehovah , ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.

3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.

4 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.

5 Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.

6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ,

7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.

8 Jehovah , tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.

9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-dr,

10 Izay misy fitaka eny an-tnany, ary feno kolikoly ny tnany ankavanana.

11 Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.

12 Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
